Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.